Actualités

Asan-jiolahy tao Toamasina Tratra ry Dama, Maka, Mikohisoa, Justin ary Arilalaina


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Tratra ankekitriny ilay tena atidoha nitifitra sy naka ilay sakosy nisy vola ka nahafaty ilay mpiasan’ny kaominina ny 14 aogositra lasa teo, dia i Damy Sambeavy 27 taona teraka tany Ambovombe Androy, araka ny fanazavan’ny Jly Ramilison Celestin eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava sy ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys misahana ny “commissariat central”

”. Nitaingina “tuc-tuc” izy, tsy nanampo na inona na inona no nosamborin’ny polisy raha efa naraha-maso nanomboka ny alatsinainy 07 oktobra nahatongavany tao Toamasina raha nitsoaka tany Ambovombe. Nandritra ny nahasaronana azy dia novany ny kara-panondrony ka lasa “Ramy Sambeavy” indray ary lasa 17 taona. Voasambotra niaraka taminy koa i Mbola Mbahinisoa izay tsy misy idirany tamin’ny raharaha kaominina, fa efa “fichiers” eo anivon’ny polisy saingy mahazo LP lava raha miakatra mpitsara mpanao famotorana. Mitotaly 11 izany izao ireo olona MD momba ny raharaha vono olona teo amin’ny kaominin’i Toamasina, ka 4 amin’izany ireo jiolahy. Ankoatra izay, dia tratra avokoa ireo efa-dahy nanafika ireo masera teo anivon’ny sekoly Notre Dame de Lourdes Anjoma – Bazary be. Voamarina noho ny fieken’i Maka Tsimilesy fa i Harimalala Arilalaina Haika Luc Dieu Donnée mpamily eo anivon’ireto masera ireto sady mpampianatra fanatanjahantena eo anivon’ny sekoly no atidohany sy mpanome ny vaovao rehetra. 10mn taorian’ny nahatrarana an’i Maka dia niantso azy ity mpamily ity ka noraisim-potsiny. Tratra teny amoron-dranomasina teo am-pirevena alahady tolakandro kosa i Maka Mikohisoa sy Justin Liandrasoa. Samy avy any Ambovombe ny fiavian’ny telo raha avy any Tsiaroanomandidy kosa ilay mpamilin-dry masera.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT