Actualités

Asan-jiolahy iraisam-pirenena Vonona hiatrik’ady i Madagasikara


  • Zoma 29 Aprily 2016

Nifarana omaly ny atrikasa natokana ho amin’ny ady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny asan-jiolahy aty afrika sy ny ranomasimbe Indianina, nisolotena ny fanjakana Malagasy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier.

 

Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fihaonana ny solontenan’ny fikambanamben’ny Frankôfônia (OIF), ny solontenan’ireo tonia mpampanoa lalàna frankôfônia. Tanjon’ny fihaonana ny hamongotra hatramin’ny fakany ny asa fampihorohoroana. Fivoriana fahefatra ity natao tetsy amin’ny Carlton Anosy ity fa efa nisy ny vita tany Mali, Senegal ary Kamerona. Anisan’ny efa nodinihana tany aloha ny fametrahana fifanaraham-piaraha-miasa ara-pitsarana iraisam-pirenena, mba hahafahana mifanakalo vaovao sy mamindra amina firenena iray ireo olona mpanao ratsy voasambotra tany amina firenena iray hafa. Notohizana tamin’izao fihaonana teto Antananarivo izao ny fanaraha-maso ny fomba hampiharana izany fifanarahana izany sy ny fandinihana ihany koa raha maharaka tsara ny vanim-potoana sy ny zava-misy maria ny paikady napetraka. Nanamarika moa ny praiminisitra Malagasy fa tokony hahay hiara-kiasa sy hifanome tanana ireo firenena ny aty afrika sy ny ranomasimbe Indianina ka hampiseho fa izy ireo no maodely tsara amin’ny ady atao amin’ny asan-jiolahy iraisam-pirenena. Vonona tanteraka amin’izany i Madagasikara, hoy izy

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT