Actualités

Asan-jiolahy ao Toamasina Maty voatifitry ny polisy i Filondray Valisoa


  • Zoma 19 Septambra 2014

Ela nitanana basy tsy nampandry fahalemana ny tanànan’i Toamasina noho ireo fanafihana mitam-basy nataony i Filondray Valisoa, na fantatra amin’ny solon’anarana maromaro toy ny Mana, Meja, Vala…

 Maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tao Tanamakoa ny alarobia tokony tamin’ny 10 ora sy sasany alina ity jiolahy mpitam-basy raindahiny ity, raha avy nifanenjehan’ny polisy sy nifanandrina tamin’ireto farany ihany koa. Mbola sarona teny aminy ny basy PA Mac-50 fampiasany amin’ireo fanafihana fanaony sy ny ekipany. Efa tafiditra anatin’ny lisitra maintin’ny polisy ingahy Filondray Valisoa, noho ireo marika “holatra” amin’ny tarehiny sy ilay “tombokavatsy” eo amin’ny sandriny, izay tsikaritr’ireo olona tafihany saingy tafaporitsaka hatrany izy. Ity jiolahy maty ity no nanafika ny tranombarotra “Tama Elec” Anjoma izay nahavery ny vola sy ny basin’ny talen’ny polisy teo aloha izay hita ihany raha nanaovana fikarohana manokana, ankoatra ny volan’ireo mpividy entana sy ilay tranombarotra ary ity kolonely zandary iray miasa ao Toamasina. Mbola izy io ihany koa no namely ny tranombarotra tao Anjoma Barriere, tao Ambolomadinika, ireo tranombarotra maromaro tao Tanambao V, anisan’izany ny Boutik Orange – Telma Shop – tranombarotra mpivarotra moto, ary mbola izy ihany no namely tao Salazamay tamin’ny fianakavian’i tompokolahy Dr Laivao Michel Victori sy tranombarotra mpamongady iray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

Hijery ny tohiny
FTT