“Miady amin’ny asan-jiolahy na ireo jiolahy madinika izany, na ireo jiolahy mpitondra basy manafika izahay araka ny baikon’ny minisitray”. Anisan’ny nambaran’ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys misahana ny kaomisaria ny renivohitr’i Toamasina io
Ny talata 04 novambra teo tokony tamin’ny 03 ora tolakandro, dia olona roa lahy nitaingina moto Scooter no nenjehan’ny polisy tao Mangarivotra, nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo izay tsy mijanona amin’ny arabe tara fa miditra anaty lalam-pasika mihitsy. Vao nahita ireto polisy manao fisafoana anefa ireto roa lahy nitaingina Scooter dia avy hatrany dia nitsoaka fa mahina ny basy teny aminy saika hanaovana fanafihana. Nahatsikaritra izany ireto polisy ka nenjehin’izy ireo ilay Scooter. Teo anefa dia nitifitra ny fiaran’ny polisy ireto “jiolahy”, nefa tsy nanaiky lembenana ny polisy ka namaly ihany koa ka teo no nianjera noho ny fasika ilay Scooter. Navelan’ireto jiolahy teo ilay moto ary nandositra nihazo lalankely izy ireo, nefa raha nosavaina ity moto dia basy kalaky iray sy bala na kalaky 50 isa tao anaty na“boite à chargeur” roa, ny iray nahitana bala 30 ny faharoa nahitana kosa bala 20, ilay basy poleta kosa nentin’ireto jiolahy nanaraka azy nandositra. Nanazava anefa ny polisy fa nisy voan’ny bala ny iray tamin’ireto jiolahy ireto, ka izay mahatsikaritra izany eny anivon’ny fiarahamonina eny na ireo mpitsabo sendra mahita izany koa, dia tokony hampandre ny polisy fa fahavalom-piarahamonina izy ireo ary tena jiolahy raindahiny ihany koa raha ny fitaovana nentiny sy ny tratra teny aminy, ka tokony hofaizina araka ny lalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.