Actualités

Asan-dahalo ao Betroka Atahorana hivadika adim-poko


  • Alatsinainy 04 Janoary 2016

Ahiana hivadika ho adim-poko hiafara amin’ny rà mandriaka ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’i Betroka. Tapaka àry ny hevitra izay nifanarahan’ny rehetra fa hampiharina ny Dinan’i Mangoky hisian’ny fahalemana. Vatan-dehilahy miisa 400 izay hanampy ny mpitandro ny filaminana avy ao Betroka no efa vonona hampandry sy hanao fanelanelanana eo amin’ireo foko voakasika sy ny tompon’ny omby very.

 
Raha ny loharanom-baovao taorian’ny nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tany Benonoka Mahazoarivo, Kaominina ambanivohitra Ivahono, ny herinandro lasa teo, nanafihana malaso 10 lahy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ny valan’ombin’olona iray tany an-toerana, ka omby an-jatony no lasa tamin’izany, dia fantatry ny tompon’omby ny endriky ny sasany amin’ireo dahalo , ary fantany ihany koa fa avy any amina foko iray izy ireo. Tezitra ny tompon’omby very fananana sy ny fokonolona ka mikotrika hanao valifaty ary nilaza fa hanafika ireto foko niavian’ireo nangalatra omby.Nandray andraikitra avy hatrany hisorohana ny mety fifandonana mahery vaika hiteraka ady an-trano sy rà mandriaka ny mpitandro ny filaminana raha naheno ny vaovao fikasan-dratsy, hoy hatrany ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tapaka àry ny hevitra izay nifanarahan’ny rehetra fa hampiharina ny Dinan’i Mangoky hisian’ny fahalemana. Amin’izao fotoana izao, raha ny fanampim-baovao, dia vatan-dehilahy miisa 400 (hanampy ny mpitandro ny filaminana avy ao Betroka) no efa vonona hampandry sy hanao fanelanelanana eo amin’ireo foko voakasika sy ny tompon’ny omby very.


Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT