Actualités

Asam-panjakana Minisitera 11 amin’ny 37 no nahitam-bokatra


  • Talata 21 Martsa 2017

Tsy mitombina ny fomba fijerin’ny Fiadidiana ny Repoblika mandrefy ny dingam-pahombiazana amin’ny isan’ny hetsika fanairana ny mpitondra fanjakana avy amin’ny fiarahamonina sivily, hoy ny sekretera jeneralin’ny CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes),

 

 Hony Radert. Toraka izany ny fanolorana mari-pankasitrahana tsy misy akony akory amin’ny ady amin’ny fahantrana. Ilaina hampidinina ho 6 volana fa tsy 2 taona intsony ny fe-potoana hametrahana ny lalàna fandravonana (loi de règlement) ahafahana manara-maso eo no ho eo ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, araka ny tolo-kevitry ny firaisamonim-pirenena. Minisitera miisa 11 amin’ireo 37 moa no nahitana tondro fahombiazana tsara ny taona 2015 raha 4 monja ny taona 2014. Ny 19%-n’ireo tondro fahombiazana napetraky ny governemanta rahateo no tontosa, araka ny tatitra farany navoakan’ny vovonan’ny olom-pirenena sy fikambanana mivoy ny maha olom-pirenena. Tsy nahitam-bokatra mihitsy, ohatra, teo amin’ny lafiny fandaniam-bola sy singa fahombiazana ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ny taona 2014 sy 2015. Manana adidy goavana ny mpitondra fanjakana amin’ny fijerena ireo antony nampandamoka ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny, hoy ny CCOC.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT