Noventesin’ ny Filoha Rajoelina ary nivoiziny mafy hatrany fa ny tanora no apetraka hitondra sy hitantana ny firenena.
Mifanohitra amin’ izany aloha ny fanapahan-kevitra amin’ izao. Olona azo atao hoe « masaka » mba tsy hilazana hoe zokinjokiny, no napetrany ho kandidà ben’ ny tanàna, izay mifanohitra amin’ny zavatra no heveriny hatramin’ izay. Miroso amin’ ny fanendrena ireo ambasadaoro isika ary nantenaina ho tanora avokoa ireo ankamaroany ireo masoivoho. Tsikaritra aloha fa fanendrena ara-politika no miseho ankehitriny. Tsy tokony atao resa-be fotsiny ny fanomezana sehatra ho an’ ny tanora na atao fampandriana adrisa fotsiny fa kosa aseho amina asa mivaingana. Mety mandraitra indray mandeha na indroa ny fampiresahana miendrika fampiesonana fa kosa tsy handaitra mandrakizay. Manana fianarana manokana momba ny diplaomasia isika eto Madagasikara eny amin’ny ENAM Androhibe, mbola eo ihany koa ny CEDS (Centre d’Etudes diplomatiques et strategiques) mampianatra sy manofana ireo Malagasy tokony hotendrena amina toerana any ivelany, najaina ve izay ? Sa safidy politika sy noho ny maha kinamanamana fotsiny no nanendrena ireo masoivoho ireo.Ekena fa mety manana traikefa ny zoky, saingy maro ny tanora efa mahavita azy, nahoana no tsy omena sehatra ..kanefa tanora mahalala tsara an’izany ny filoham-pirenena.Sa ve efa vaogejan’ireo dinaozaro politika ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.