Actualités

Asa tamin’ny frankofonia Voafitaka ny mpitandro ny filaminana


  • Talata 29 Novambra 2016

Mipoitra tsikelikely ny marina momba ny fanatanterahana ny fivoriana an-tampon’ny frankofonia.

Anisan’ny niasa be nandritra iny fihaonana an-tampony iny ireo mpitandro ny filaminana. Na ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fandalovan’ireo delegasionina vahiny na ny fandaminana ny tanàn-dehibe tamin’ny ankapobeny, dia niasa mafy izy ireo. Hatrany am-piandohana no voalaza fa 4,2 miliara ariary ny fitambaran’ny tambin-karaman’izy ireo mandritra ny frankofonia, saingy maro ireo nitaraina fa tsy nahazo izany ny andron’ny alakamisy sy ny zoma lasa teo. Tsy hay na ny lehiben’izy ireo no nanao ampihimamba sy nanakepoka ny tokony ho anjarany, na ny fanjakana no nivadika tamin’ny fifampitokisana fa izay aloha ny zava-misy, ary maro amin’ny mpitandro ny filaminana izay nivarotra ny ainy nandritra iny fihaonana an-tampony iny no tsy faly amin’ny fihetsiky ny mpitondra sy ireo lehibeny izay ahian’izy ireo ho nanao tohatra fiakarana ireo mpitandro ny filaminana tena nanao ny asany tamin-kitsim-po. Mbola manjavozavo aloha ny raharaha fa raha ny fantatra dia tsy mbola azo mihitsy ny tambin-karama ho an’ny alakamisy sy zoma raha toa ka efa milamina ny andron’ny sabotsy sy lahady, izay niafaran’ny fihaonana an-tampony. Ahiana ny hiitaran’ny raharaha amina zavatra hafa.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT