Actualités

“Asa takalo vola” Anosizato andrefana indray izao


  • Talata 09 Mey 2017

Ny faritra Antananarivo Atsimondrano indray no nisitraka tombontsoa avy amin’ny minisiteran’ny mponina.

 

Teny Anosizato Andrefana indray mantsy no nanohizan’ity minisitera ity ilay tetikasa antsoina hoe “Asa takalo vola”, ka olona sahirana miisa 300 avy amin’ny fokontany 7, dia Antokototanintsara, Ampefiloha, Ambanimaso, Antananambony, Ambodivona, Antandrokomby ary Ankazotoho no nisitraka izany. Misy ny asa tanamaro na “HIMO” fanadiovana lakandrano mirefy 400m ny lavany ary 6m ny sakany, ka miasa adiny 3 isan’andro ao anatin’ny 3 andro ireo vahoaka ireo, ary sandaina 5.000Ariary isan’andro. Toerana anisan’ny nizaka ny mafy nandritra ny rivodoza Enawo iny faritra iny, ka raha vantany vao misy ny orana mahery vaika, dia tsy azo ihodivirana ny fiakaran’ny rano. Izay no  nanaovana ny asa satria sady vola miditra ho an’ny mponina no fisorohana ny loza ateraky ny fiakaran’ny rano rehefa fotoanany. Nisy ihany koa ny fanoloran’ny minisitra Onitiana Realy fitaovana ho an’ny fikambanam-behivavy eny Anosizato Andrefana, ka masinina fanjaraina miisa 3 miampy ny kojakoja miaraka aminy ary lamba 50m no natolony ho an’ny fikambanana izay ahitana ahitana vehivavy 240. Nisy ihany koa ny fitsinjovana ireo zokiolona, ka 100 izy ireo no nizarana vary 5kg avy, siramamy 1kg, ary savony isan’olona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT