Actualités

Asa Tagnamaro CNaPS Nohavaozina ny biraon’ny sekoly LMA


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Tontosa omaly tetsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (na LMA) ny asa tagnamaron’ny CNaPS.

 

 

 

Nisy ny fanavaozana ny biraon’ny sekoly ary hohatsaraina ihany koa ny trano fianarana satria tsy vitan’olon-drery ny fanabeazana, koa zava-dehibe ny fiaraha-

misalahy. Izy rahateo ny foto-kevitry ny asa tagnamaro dia ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay. Raha teny amin’ny foibe sy ny biraony no nanaovan’ny CNaPS asa tagnamaro hatramin’izay dia niova endrika izany amin’ity taona vaovao 2020 ity. Nisy ny fanatsarana sy fanavaozana ireo biraon’ny proviseur sy ny secrétariat eto amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha. Nambaran’ny tale jeneralin’ny CNaPS Mamy Rakotondraibe fa « miompana amin’ny lohahevitra 3 ny RSE (Responsabilité Sociétale de l’Entreprise) an’ny CNaPS dia ny fampianarana, ny fanampiana ary ny tontolo iainana ». Ka fahiny raha miasa fe miasa ny mpiasa mba handraisana karama dia miova tanteraka izany fomba fijery izany ankehitriny. « Tezaina ny mpiasan’ny CNaPS hahay manampy, hahay manome ary hahay mizara », hoy izy. Porofon’izany ity fandokoana ny biraon’ny LMA ity. Santatra ambavarano ihany izao fiaraha-miasan’ny CNaPS sy ny liseam-panjakana LMA izao,

hoy Proviseur Adjoint Ramarolahy José Auguste ary nambarany fa ankoatra ny birao dia hohavaozin’ny CNaPS ihany koa atsy ho atsy ny rindrin’ny efitrano fianarana. Mikasika ny fanabeazana dia miisa 206 ny mpanabe eto amin’ny LMA ary mahatratra 3250 ny

mpianatra, ka kilasy ny 2 nde 15 izay ahitana mpianatra 50 dia nampidirina ho Klioba CNaPS Zandriolona mba hanabeazana azy ireo dieny kely ny zo momba ny fiahiana ara-tsosialy. Izy

ireo rahateo no ho mpiasa sy mpampiasa rahampitso. Toy ny fanao isan-taona moa dia nanao tsipaipaika ny mpiasan’ny CNaPS ka nahavory 636 300 Ariary, natolotra ny LMA nandritra ny asa tagnamaro teto Ampefiloha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT