Mijoro ao Antsirabe ankehitriny ny fikambanana “Ho Maitso ny Tontolo”, fikambanana mpanao asa soa sy hiaro ny tontolo iainana.
Nisy avy hatrany ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny fikambanana ho fampahafantarana ny fisiany sady ho fanampiana sahady ireo kilonga amin’izao fetin’ny faran’ny noely izao, ka nisy ny fampisakafoanana ankizy niisa 300 tamin’ny Epp Antanambao Est Ivohitra sy ny Epp Ambohimena. Raha ny fanazavana nomen’ny filohan’ny fikambanana, Atoa Razakarivo Armando dia antony nifidianana ny sekolim-panjakana ny fisian’ireo ankizy tena sahirana ao aminy, izay tsy mba misy mpiahy. Eo ihany koa ny fanohizana ny hetsika satria manana tany malalaka azo trandrahana ity sekoly ity ka azo anaovana hetsika fiarovana ny tontolo iainana amin’ny famokarana ho an’ny sekoly. Tanjona ho azy ireo ny fiarovana ny tontolo iainana sy fanabeazana ary ny lafiny sosialy toy izao hetsika izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.