Nanamafy ny fanambarana efa nataony ny eiadidian’ny Primatiora manoloana ny fampiasana ny anaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta amina asa fisolokiana samihafa, indrindra fa ny tambajotran-tserasera.
Noho ny fahitana fampiasana hosoka eny amin’ireo tambajotran-tserasera izay ataon’ny olona manana fikasan-dratsy, indrindra fa ao amin’ny tambajotra facebook, dia manao fanambarana ampahibemaso, amin’ny anarany manokana sy amin’ny maha lehiben’ny governemanta azy, ny praminisitra Ntsay Christian, fa tsy mbola nanana ary tsy nampiasa « facebook » mihitsy ny tenany, ary tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho fampiasana ny anarana « Christian Ntsay » na « Ntsay Christian » ao amin’izany tambajotra izany, hoy ny fanambarana. Misaotra sy manantena ny fahamalinan’ny olom-pirenena rehetra ny praiminisitra, mikasika io resaka io. Lasibatra hatramin’ny lehiben’ny governemanta izany amin’ny resaka fisandohana sy asa ratsy amin’ny tambajotran-tserasera, izay tokony handraisana fepetra hentitra kokoa ary tsy hasiana tombo sy hala. Mila jerena akaiky ihany koa ny karazana fandranitana sy fanalam-baraka amin’ny endriny maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.