Actualités

Asa mendrika «Tsy misy eto amintsika izany», hoy ny SEKRIMA


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Nankalazaina omaly alarobia 7 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny asa mendrika. Niarahaba manokana ny mpiasa malagasy rehetra ny kaonfederasiona SEKRIMA omaly no sady nampahatsiahy manokana ny atao hoe : asa mendrika.

 

 Manana andry efatra izy io ho an’ny birao iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Sekrima omaly Botoudi Remi Henri.  Anisan’izany ny famoronana asa ao anatin’ny firenena iray, ny fenitra iraisam-pirenena izay tokony harahina, ny fiahiana ara-tsosialy ary fahatelo farany dia ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy. Ho antsika eto Madagasikara manokana anefa dia tsy mbola misy io asa mendrika io fa ny asa marefo sy terivozona no misy na dia efa nampiditra amin’ny drafitra fampandrosoam-pirenena hanatratra io aza i Madagasikara sady nanao sonia ihany koa. Manoloana izany dia miantso ny fanjakana amin’ny fandraisana andraikitra hanatsara ny tontolon’ny asa malagasy ny SEKRIMA. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny didy amin’ny fampifanarahana ireo didim-pitondrana maro samihafa izay efa tena antitra nivoaka tamin’ny taona 1954 sy 1960 kanefa ny fehezan-dalàna momba ny asa dia efa in-dimy nasiam-panavaozana.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT