Actualités

Asa mendrika eto Madagasikara Fanatsarana no mbola tokony atao


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Misy fifandraisana ny olana ara-toekaren’ny firenena sy ny sehatry ny asa. Ny fampandrosoan’ny fampananan’asa feno (plein emploi), ny fampananana asa mamokatra (emploi productif) ary ny fampananana asa mendrika dia hitarafana ny fahatanjahan’ny firenena.

 

 

 Tsy mahomby ny fampananana asa tena mamokatra eto ary saika asa an-tselika no betsaka.   Tsy mifanaraka amin’ny mari-pahaizana ary tsy mahavelona ny karama amin’izany. Ankoatra izay, mbola manjaka hatrany ny kiantranoantrano rehefa mandray mpiasam-panjakana. Sakana tsy hivelaran’ny toekarena anefa izany satria olona tsy mahay ary tsy manana traikefa no mitantana ny asa ka sady manataraiky no mandiso ny zavatra tokony hatao. Misy ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny any amin’ny birao maro samihafa any ka mampandringa ny fitantanana ankapobeny mihitsy. Misy aza mpiasa ambony eto amin’ny firenena tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory kanefa mandray karama be. Anisan’ny mampitarazoka ny firenena ireny, indrindra eo amin’ny lafiny famokarana mipaka amin’ny toekarena ka ilaina ezaka be mba hohajaina ny zo sy adidy eo amin’ny asa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT