sy ireo rantsamangaika misahana ny fiaraha-miasa frantsay eto Madagasikara ny resaky ny roa tonta.
Anisan’izany ireo tetikasa miompana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina marefo eto an-drenivohitra miaraka amin’ny fanamorana ny fanatanterahana fandaharanasa goavana fanorenana fotodrafitrasa eny anivon’ireo boriborintany. Voaresaka ihany koa ny fandefasan’ny fitondrana frantsay manampahaizana manokana mikasika ny hetra sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana.
Tetikasa ho an’ny sahirana
Notsindrian’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana manokana ny fijerena maika ny fahasahiranana mianjady amin’ny sarababem-bahoaka. Ilaina tontosaina haingana ireo tetikasa fampivoarana mivantana ny fiainan’ireo sokajin’olona tena marefo eto anivon’ny kaominina renivohitr’i Madagasikara, hoy i Neny. Laharam-pahamehana amin’izany ny sehatry ny sakafo, ny fahasalamana na koa ny fanabeazana. Hiezaka ny hitondra valiny mifanaraka amin’ireo hetaheta naroson’ny mpitantana ny tanànan’Iarivo nandritra ny fihaonana moa ireto vahiny mpiara-miombon’antoka ireto, araka ny fanazavan’ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto amintsika.
Fanorenana fotodrafitrasa
Niara-nikaon-doha mikasika ny fanamorana ny fanatontosana ireo tetikasa goavana momba ny fananganana fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny mponina eto an-drenivohitra ihany koa ny an-daniny sy ny an-kilany. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fitaterana, ny fanitarana sy fanatsarana ny tanàn-dehibe, ny fifehezana fako ary ny famatsian-drano fisotro madio. Hiverina hifampiresaka amin’ny ekipan’ny CUA moa ny masoivohon’ny firenena frantsay sy ireo mpisehatra mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny afaka iray volana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.