Naharitra ora roa latsaka ny dinik’asa nifanaovan’ny delegasionina frantsay nahitana ny masoivohony Véronique Vouland tamin’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra notarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teny amin’ny lapan’Analakely omaly.
Nifantoka betsaka amin’ny fanampian’ny governemanta sy ireo rantsamangaika misahana ny fiaraha-miasa frantsay eto Madagasikara ny resaky ny roa tonta. Anisan’izany ireo tetikasa miompana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina marefo eto an-drenivohitra miaraka amin’ny fanamorana ny fanatanterahana fandaharanasa goavana fanorenana fotodrafitrasa eny anivon’ireo boriborintany. Voaresaka ihany koa ny fandefasan’ny fitondrana frantsay manampahaizana manokana mikasika ny hetra sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana.
Tetikasa ho an’ny sahirana
Notsindrian’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana manokana ny fijerena maika ny fahasahiranana mianjady amin’ny sarababem-bahoaka. Ilaina tontosaina haingana ireo tetikasa fampivoarana mivantana ny fiainan’ireo sokajin’olona tena marefo eto anivon’ny kaominina renivohitr’i Madagasikara, hoy i Neny. Laharam-pahamehana amin’izany ny sehatry ny sakafo, ny fahasalamana na koa ny fanabeazana. Hiezaka ny hitondra valiny mifanaraka amin’ireo hetaheta naroson’ny mpitantana ny tanànan’Iarivo nandritra ny fihaonana moa ireto vahiny mpiara-miombon’antoka ireto, araka ny fanazavan’ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto amintsika.
Fanorenana fotodrafitrasa
Niara-nikaon-doha mikasika ny fanamorana ny fanatontosana ireo tetikasa goavana momba ny fananganana fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny mponina eto an-drenivohitra ihany koa ny an-daniny sy ny an-kilany. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fitaterana, ny fanitarana sy fanatsarana ny tanàn-dehibe, ny fifehezana fako ary ny famatsian-drano fisotro madio. Hiverina hifampiresaka amin’ny ekipan’ny CUA moa ny masoivohon’ny firenena frantsay sy ireo mpisehatra mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny afaka iray volana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.