Nanipika mazava ny Amerikanina tamin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika fa tsy ampy hampandrosoana firenena ny fananganana rafitra sy andrim-panjakana, fa tsy maintsy kolokoloina ny lafiny ara-toekarena
. Mila mangarahara fiasa ihany koa ny mpitondra ary manaja ilay tamberin’andraikitra. Azo hamintinana ny fomba fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena ny zava-misy eto amintsika io fanambarana io, miarahaba ny fitsanganan’ny fanjakana vaovao ireo mpiara-miombon’antoka saingy mbola mametraka fepetra hafa ihany koa, fa tsy hoe rehefa mijoro ny governemanta, manana fandaharan’asa dia hitobaka eto ny vola be. Hita sy tsapa araka izany fa tena sarotra ny mamerina amin’ny laoniny ny fiaraha-miasantsika amin’ny any ivelany taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy ny dimy taonan’ny tetezamita izay nampipoitra ny gaboraraka amin’ny endriny rehetra teto. Voasokajy ho anisan’ireo firenena tena mahantra sy farahidiny i Madagasikara amin’izao fotoana, mbola manampy trotraka izany ny takaitra navelan’ny rivodoza Chedza, loza manambana ny mety mbola hisian’ny tondra-drano amin’ny faritra maro. Tsy misy afa-tsy ny fifanomezan-tanana no hahafahana mivoaka haingana amin’izao fahantrana izao, fa raha mbola hifanditra sy hifanenjika aloha dia samy ho tavela eto, fa na afaka 20 taona aza tsy hiarin-doha ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.