Nampaneno lakolosy nony farany ny tompon’andraikitra eo amin’ny FER (fonds d’entretien routier) eto Madagasikara notarihan’ny Sekretera Jeneraliny, Atoa Benitany Randimby, raha namory ny rehetra, tompon’andraiki-panjakana, mpandraharaha tsy miankina, mpanao mpanao gazety …
tetsy amin’ny Buffet de la gare ny faran’ny herinandro teo. Tena misedra olana goavana ity rafitra mpitahiry sy mpamoaka ny fikojakojana ny lalana eto amintsika ity, hoy ny feo heno teny Analakely tamin’ny zoma takariva teo. Raha 90 miliara ariary ny vola tokony hampiasaina amin’izany fikojakojana lalana eto amintsika izany ho amin’ity taona 2015 ity, hoy Atoa Benitany Randimby, dia tsy misy afa-tsy 4 miliara latsaka kely fotsiny no azo ampiasaina ary efa am-perinasa ny fanatanterahana ny asa amin’izany ankehitriny. Ny 86 miliara, atao hoe ambiny kosa, dia tsy mbola misy mangirana ny tokony handrotsahan’ireo mpikarakira solika azy satria efa hatramin’ny taona 2011 izy ireo no tsy nanefa ny RER (Rédevance sur l’entretien routier ) intsony izay efa tafakatra hatrany amin’ny 176 miliara ariary tamin’izany. Andraikitry ny fanjakana sy ny mpikirakira vokatra solika eto amintsik no tokony hanao izay handaminana an’io RER io mba harotsaka ao amin’ny kitampom-bolanany Fer hampandehanana ny asa rehetra fa tsy ny vola eo an-tanana indray no mbola hangalana hanatanterahana etsy hafa tahaka ny « Congrès de la route » notontosaina farany teo ka mbola nandoavan’ny FER anjara-bola nitentina 3 miliara izay tsy andraikitr’izy ireo velively akory, hoy Atoa Benitany. Ny fikojakojana ny lalam-pirenena sy ny asa maika tokony hatao amin’izany moa no tena anjara asan’ny FER nefa rehefa mazava ny resaka dia afaka mamatsy ireny fikojakojana lalana eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireny izy, na koa ny lalan’Antananarivo-Renivohitra raha toa ka takian’ny fanjakana ny hirotsahany amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.