Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ankoatra ny fakana an-keriny dia misy hatrany ny fanafihana mitam-piadiana. Saika mametraka ny fitokisany amin’ireny orinasa tsy miankina manao asa fiambenana ireny ny ankamaroan’ny olona.
Ho an’ny GS Pro manana ny foiben-toerany etsy Ambondrona manokana, ohatra, dia betsaka ireo mpanjifany maka azy ireo hiambina ny tanànany na ny orinasany. Tsy miambina manampahefana kosa anefa izy ireo. Anisan’ny fomba fiasan’ny GS Pro ny mijery ilay tanàna na orinasa hanaovana asa fiambenana mihitsy rehefa tonga manatona azy ireo ny olona. Aorian’izay no mamoaka paikady sy mametraka ny isan’ireo mpiambina mety hahavita ny asa ny GS Pro ka miankina amin’izany no hifanarahan’ny roa tonta ny amin’ny vola aloa sy ny mety ho faharetan’ny asa. Afaka manao asa fiambenana ao anatin’ny roa volana monja izy ireo. Mampiavaka ireo mpiambina ao amin’izy ireo ny fahazoan’ny mpiambina fiofanana tsotra sy ara-miaramila, misy ihany koa ny vehivavy. Ireto farany mantsy no tsy maintsy manao ny fisafoana rehefa eny anivon’ny orinasa. Miasa andro aman’alina izy ireo, ary raisiny andraikitra avokoa ny fiantsoana mpitandro ny filaminana raha sanatria ka misy tranga ankoatra ny fakana alika any Ivato. Ho fanampiana ireo lehilahy tonga nitady asa tao amin’ny agence ambinintsoa moa no antony nanosika an-dRamahakotroka Asmine hanokatra ny GS Pro hanampiana azy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.