Actualités

Asa fanjairana Mahaliana hatrany ny tanora


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Mbola tena mahaliana ny ankamaroan’ny tanora Malagasy ny asa fanjairana eto amintsika.

 

 Ankoatra ireo vonona ny ho lasa mpanjaitra matihanina entina hanandratana ny vita Malagasy dia tsy vitsy koa  ireo mihazakazaka amin’izany  hahafahany miasa amin’ireo orinasa afaka haba any ivelany. Ho an’ny Ecole de Coupe et Couture Volana manokana dia nambaran-dRazanamanalina Volana, tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana fa mahatratra hatrany amin’ny 15 %-n’ireo mpianatra nofanin’izy ireo tao anatin’ny 22 taona nisiany no efa manao ity asa ity any am-pitandranomasina. Ny fikirakirana ireo milina indostrialy no tena nianaran’ireo 15 % ireo. Tsy mijanona hatreo anefa ny filana. Raha miisa 270 mantsy ireo mpianatra niatrika ny fanadinana ara-panjakana notanterahiny ny volana mey lasa teo dia tafakatra 360 isa ny alarobia sy omaly alakamisy, fotoana nanaovan’izy ireo ny fanadinana andiany faharoa amin’ity taona 2016 ity.  Sarotra ny fanadinana satria “veste” am-behivavy no natsangana. Mahatoky anefa ny mpitantana fa  hamokatra olona matihanina. Tsiahivina moa fa samy niatrika ity fanadinana ity avokoa ireo ivontoerana miisa 21 manerana ny Nosy.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT