Actualités

Asa fanaovan-gazety. Betsaka ireo efa mirona any amin’ny fanaovana fanadihadiana lalina


  • Zoma 10 Oktobra 2014

Betsaka amin’ny mpanao gazety tanora malagasy no efa manomboka mirona sy mandalina ny fanaovana ny fanadihadiana lalina na ny “journalisme d’investigation”. Tsapa io nandritra ny famoahana ireo mpianatra andiany faha-3 tao amin’ny FDJ

(Formation des jeunes Journalistes) nokarakarain’ny  Friedrich Ebert Stiftung omaly tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Miisa efatra ambin’ny folo moa ireo nanaraka ny fiofanana tamin’ity andiany  fahatelo ity ary naharitra fito ambin’ny folo andro. Raha ny nambaran-dRamatoa Hantanirina Randrianasy tompon’andraikitry ny fampiofanana dia ilaina hatrany ny fampivoarana ny tanora amin’ny lafiny rehetra, indrindra fa ny fanaovan-gazety. Ny mpanao gazety rahateo,  hoy izy no tena mitana ny andraikitry ny mpanabe eto amin’ny firenena ka tsy tokony  hailika amin’ny  fitadiavana ny vaovao. Na izany aza dia ilaina hatrany ny fandalinana sy ny fampiofanana maro samy hafa hirosoana hatrany amin’ny maha matihanina. Mpanao gazety maro avy amin’ny sehatra samihafa no nanaraka ny fampiofanana  ary samy nanana ny fomba nanehoany ny fanampim-pahalalana azony ny tsirairay tamin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT