Raikitra fa dia hotanterahina amin’ny sabotsy 6 desambra 2014 izao, amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 25 manerana ny Nosy, ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara
Ny kandida Hervé Rakotozanany sy Gérard Rakotonirina no hifaninana amin’izany, araka ny fanamafisana nataon’ny vaomieran’ny fifidianana nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo teny amin’ny CEFOM Maibahoaka ny sabotsy 22 novambra 2014. Nisy omaly, tao amin’ny CNPC Antanimena, ny fitondrana am-bavaka ny hahatontosan’io fifidianana io nokarakarain’ny komity mpanohana ny kandida Gérard Rakotonirina. Vory maro, nameno trano, ny mpanao gazety izay efa mangetaheta mafy ny hijoroan’ny Biraon’ny holafitra rehefa tsy nanana izany tao anatin’ny fito taona. Raisin’izy ireo ho toy ny fanomezan’ny Noely mihitsy aza ny fijoroan’izany Holafitry ny mpanao gazety izany, aorian’ny fahavitan’io fifidianana amin’ny sabotsy io, ka nanentanan’izy ireo ny mpanao gazety rehetra tsy ankanavana ho avy haneho ny safidiny amin’io 6 desambra 2014 io. Tonga niara-niombom-bavaka sady nitsodrano ny hahatontosan’izany fifidianana izany an-tsakany sy an-davany i Mamy Rajaonary, mpikambana tao amin’ny birao Holafitra farany. Ny vaomieran’ny fifidianana rahateo dia mbola nanamafy omaly fa vonona amin’ny fanatontosana io fifidianana fihodinana faharoa io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.