Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Ihosy ny mpanao gazetin’ny Radio Jupiter any Ilalaka, Fernand Cello taorian’ny nitondrana azy tao amin’ny fitsarana tao Ihosy, omaly misandratr’andro. Mpitandro ny filaminana tsy latsaky ny 20 isa no nitondra azy tao amin’ny fitsarana, ary vory ny olona.
Sambasamba tao Ihosy nahitana ny toe-javatra toy izao, hoy ireo nanatri-maso. Raharaha roa no nitorian’ny mpandraharaha iray azy, dia ny resaka fanalam-baraka sy halatra taratasim-bola tamin’ny taona 2015. Nahazoany fahafahana vonjimaika ny resaka fanalam-baraka fa ilay vesatra faharoa kosa no nampidirana azy am-ponja, dia ilay resaka seky. Mbola misy vesatra miisa 5 tsy maintsy handalovan’ity mpanao gazety ity ny fitsarana, raha ny fanomezam-baovaon’ny fampanoavana any Ihosy.
Fanosihosena ny asa fanaovan-gazety
Taorian’ny fampidirana am-ponja an’i Fernand Cello, io omaly io, dia nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety tao Ihosy, ny mpisolo vava azy, ary nilaza fa “ fanosihosena ny asa fanaovan-gazety izao nihatra amin’ny Fernand Cello izao, satria mpanao gazety sahy nilaza ny marina sy namaky bantsilana ny kolikoly avo lenta amin’ny fitrandrahana safira ao Ilakaka ka potehina tanteraka ny fiainany ankehitriny. “ “ Tsy voahaja ihany koa ny zo miaro tena tokony hataon’i Fernand Cello omaly nandritra ny fandalovany teny amin’ny tribonaly, satria nogiazan’ny fitsarana ny finday misy ny porofo rehetra ananan’ity mpanao gazety ity “, hoy Me Marie Claudia Yvonne. Nahitsy kosa ny valin-tenin’ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ihosy, fa nisy S.T miisa fito navoakan’ny fitsarana mandidy an’ity mpanao gazety ity hosamborina hatao famotorana mahakasika ireo fitorian’olona misesy azy. “ Tsy misy ifandraisany amin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny fandaharana manokana tamina haino aman-jery tsy miankina iray tao Antananarivo, ny 3 mey teo, ny fisamborana an’ity mpanao gazety ity “, hoy Rtoa Mpampanoa lalàna nanipika sady namaly an’ireo fanosoram-potaka samihafa inian’ny olona sasany aely ankehitriny handotoana endrika ny fitsarana. Araka ny resaka an-tariby nifanaovana tamin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) Gérard Rakotonirina omaly hariva kosa, dia manaraka hatrany ny fizotry ny raharaha ny OJM, ary manentana hatrany ny mpanao gazety mba hanaja ny etika sy ny deontolojia eo am-panatanterahana ny asany. Andrasana ny fivoaran’ity raharaha ity.
Eric R/Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.