Fomba fiasa efa mihamahazo vahana any ampitan-dranomasina ny “journalisme collaboratif”, ary hahazoana tombony, toy ny hoe : mihena ny vola lany rehefa mizara asa ny mpanao gazety.
Misy akony mafonja kokoa any amin’ny olona maro, na any amin’ny firenena hafa mihitsy aza, ny vokatry ny fanadihadiana natao, hoy Rakotondravony Alain Iloniaina, mpanao gazety mpampiofana eo anivon’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES). Mbola vitsy anefa ny mpanao gazety malagasy manao azy. Ity “journalisme collaboratif” ity dia fomba fiasa iray, ka mpanao gazety maromaro no miaraka mitrandraka vaovao sy manao fanadihadiana lalina. Mety ho avy amina orinasan-gazety samy hafa izy ireo no miara-miasa ary afaka miitatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Nanasa an’i Leila Minano, mpanao gazety vahiny mpanao fanadihadiana lalina ny FES omaly, nampahafantatra sy namelabelatra ny momba io antsoina hoe : “journalisme collaboratif” io. Nahafahana namoaka ho fanta-bahoaka, ny marina momba ny raharaha mafampana maro, ny fomba fiasa “journalisme collaboratif”. Anisan’izany ireny raharahan’ny “panama papers” na “paradise papers” ireny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.