Taona maloka ho an’ny tontolon’ny fanaovan-gazety teto Madagasikara ity taona 2018 ity. Maro ireo namana nindaosin’ny fahafatesana nanomboka ny volana mey hatramin’ny novambra. Lasa ny 5 mey ny namana Martin Ravonjisoanirina tao amin’ny RNM.
5 jona, nody i Rojo Nantenaina na "Missé" tao amin’ny gazety Les Nouvelles. 16 jona, lasa koa i Jao Miandrisoa mbola namana tao amin’ny RNM ihany. Nody ihany koa ny Raiamandrenibe mpanangana ny orinasan-tserasera Ultima media, Charles Andriantsitohaina, ny 30 jona. Nanaraka azy avy eo ny 2 Jolay ny namana Maurice Tsiavonana tao amin’ny On Air Radio. Nodimandry ny 5 jolay ny namana Lantomalala Rasata tao amin’ny TVM. Tapa-bolana taoriana indray, ny 22 jolay dia lasa ny namana Zo Rakotoseheno tao amin’ny Midi-Madagascar. Tsy nitsahatra ihany fa lasa koa ny 19 septambra ny namana Christophe Haja tao amin’ny Radio Tana ary ny 15 novambra moa dia nandao antsika ihany koa ny namana Fidèles Jules tao amin’ny Radio Mampita Fianarantsoa. Tsy sanatria mamoha fotamandry fa ny hirariana dia ny hoe ho feno fiononana tanteraka anie ny havana aman-tsakaizan’izy ireny ary ny hirariana dia ho lasa anio mialoha ny amin’ny 12 ora alina ny ratsy rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.