Actualités

Asa fampihorohoroana Mitolefika i Eoropa, mitebiteby i Madagasikara


  • Alarobia 23 Martsa 2016

Mahalasa saina mafy ny mety ho fitandroana ny filaminana mandritra ny handraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny frankofonia manoloana ireo asa fampihorohoroana miseho any eoropa ankehitriny.

 

Fanontaniana tonga tao an-tsaina voalohany omaly raha vao nitranga iny asa fampihorohoroana tany Bruxelles, Belzika iny dia ny hoe hanao ahoana ny fiarovana ireo filoham-pirenena ho avy eto Madagasikara mandritra ny fivorian’ny frankofonia amin’ny volana novambra ? Raha ny zava-niseho omaly mantsy dia nasehon’ireo mpampihorohoro mihitsy tamin’ny fanapoahany baomba tsy lavitry ny foiben’ny komity eoropeanina fa ity vondrona ity no tena tiana handefasana hafatra, anisany ny fanjakana Belza sy Frantsay izay tena mijoro miady amin’ny asa fampihorohoroana ankehitriny. Ireo mpitondra fanjakana roa ireo anefa dia samy ho avy aty Madagasikara avokoa hiatrika io fivoriana amin’ny novambra io hiaraka amina filoham-pirenena 40 hafa farafahakeliny. Eran’izao tontolo izao, indrindra fa aty Afrika dia tsy takona afenina intsony ny fankahalana ny fanjakana Frantsay sy Belza ka nahatonga ireny asa fampihorohoroana vao omaly tany Bamako renivohitr’i Mali ireny. Ny herinandro lasa teo tany Côte d’Ivoire dia mbola nisy asa fampihorohoroana ihany koa izay nahafatesana eoropeanina maro. Manoloana izany rehetra izany dia mipetraka betsaka ny ahiahy manao hoe hanao ahoana ny fiarovantsika ny firenentsika mandritra io fivoriana io ? Sao ny fahatongavan’ireo olom-panjakana ambony samihafa ireo eto amin’ny firenena no hitera-doza ? Raha nanontanina ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nanazava ny jeneraly Ramarozatovo Anthony, tompon’andraikitry ny serasera sy ny fampitam-baovao fa efa manana ny paik’ady entina hiarovana amin’ny asa fampihorohoroana ny foloalindahy malagasy ka miara –misalahy amin’izany ny tafika sy ny zandary ary ny polisim-pirenena. Ny tsy fahampian’ny fitaovana no lesoka eo amin’ny mpitandro ny filaminana malagasy raha araka ny vaovao voaray hatrany. Araka ny fantatra anefa dia hisy fitaovana arifomba ho an’ireo mpitandro ny filaminana hisahana izany ady amin’ny asa fampihorohoroana izany. Omaly hariva taorian’ireny fipoahana in-telo miantoana tany Bruxelles ireny moa hatreo amin’ny fotoana nanoratana dia efa nahatratra 34 ny isan’ny maty ary 200 ny naratra.

 

Andry Ratovo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT