Iray volana lasa izay dia nisy ny fanomezana natolotry ny avy eo anivon’ny COMESA na ny tsena iombonan’ny faritr’i Afrika atsinanana sy atsimo ho an’ny Samifin na Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiam-bola.
Solosaina sy fitaovana informatika maromaro no natolotr’izy ireo tamin’izay. Ho fanohizana ny ady dia mandalo eto amintsika indray ireto mpiara-miasa vahiny ireto ary nanomboka omaly ka hatramin’ny alakamisy izao dia efa nanome fiofanana ho an’ireo manampahaizana malagasy amin’ny fitsirihana sy fanaraha-maso ireo ahiana ho manao izay resaka famatsiana sy famotsiam-bola ny asa fampihorohoroana izay.
Anisan’ny firenena ahiana
Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Samifin, Lamina Boto Tsaradia, moa dia anisan’ireo firenena ahiana indrindra amin’io famotsiam-bola ny asa fampihorohoroana io eto Madagasikara satria mbola vao hapetraka ny rafitra hiadiana amin’izany eto amintsika. Tsy isika ihany anefa fa na ireo firenena manodidina antsika koa, toa an’i Maorisy sy seisely dia ahiahiana ihany koa. Izany no antony nametrahana tambajotra iray ahafahan’ireo firenena ireo mifampita vaovao vantany vao misy tranga mampiahiahy. Sampana Maorisianina, ohatra, no nahazoana vaovao nahafantarana ireo ahiahiana tamin’ny iray volana lasa izay efa eo am-pelatanany ny fitsarana ny fanadihadiana mikasika azy amin’izao fotoana izao. Tranga iray hatreto no hita ary mbola tsiambaratelo ny fanadihadiana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.