Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo Rio tinto QMM sy ireo kaominina telo iasan'ity tetikasa ity, ny faritra ary ireo vondron'olona eny ifotony sy ny fitondrana malagasy.
Fitokanana ny tranon'ny oniversitem-paritra (IST) Anosy ao Ambinanibe, fitokanana ihany koa ny « panneaux solaires » ao amin'ny kaominina Mahatalaky. Ireo no anton-dian'ny filoha Hery Rajaonarimampianina, notronin’ny minisitra maromaro tany Tolagnaro omaly. Samy naompana tamin'ny resaka fampandrosoana ny lahateny nataon'ireo mpikabary. Nohamafisina fa manomboka avy any atsimo marina ny asa fampandrosoana. Mahakasika manokana ny fifanaovan-tsonia momba an'i Mandena dia natao hanatsarana ny ho fiaraha-miasa sy mba hifandaminana izay tokony halamina mba hisian'ny fampandrosoam-paritra sy Madagasikara. Ny Fanja Rakotomalala filoha tale jeneralin'ny Qmm kosa dia nanamarika fa vonona hanatsara ny fiaraha-miasa manaraka ny lalàna mitsinjo ny lavitr'ezaka. Mba hitohy hatrany ny fiaraha-miasa ary ny fampiharana izay voarakitra ao anatin'ny fifanarahana izay tsy maintsy hohajain'ny rio tinto/qmm. Mahakasika kosa ilay famatsiana herinaratra ao amin'ny kaominina Mahatalaky dia ny tetikasa (Best For Rural Energy and Access To light and Electricity) no nanao azy ary kaominina maromaro no hametrahana azy. Tokantrano 142 no hahazo tombony, tsy voalaza kosa ny vola lany. Marihina fa ny volana novambra lasa teo no nanomboka ny asa. Niara-nitokana ny toeram-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro moa ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy Atoa Sanchez Benedito Antonio lehiben’ny delegasionin’ny vondrona eoropeanina miasa sy monina eto Madagasikara. Tao amin'ny efitrano malalaky ny lapan'ny tanàna no nikabary ny filoha Rajaonarimampianina. Nitranga indray ny fomba fiasa mampirisika ny kolikoly tany Tolagnaro io omaly io satria fantatra fa notambazana vola 4 alina ariary isaky ny fokontany ireo olona nantsoina nitsena ny filoham-pirenena.
Oth
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.