Actualités

Asa eny amin'ny kaominina Fampandehanan-draharaha sisa...


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Namoaka fanapahana mahakasika ny ben'ny tanàna sy mpanolotsaina ny teo anivon'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Hanohy ny fampandehanan-draharaha ireo ben'ny tanàna sy mpanolotsaina manomboka ny 22 septambra izao.

 

 Ho an' ireo ben'ny tanàna mbola hirotsaka hofidiana dia ny lefitra voalohany no hampandeha ny asa hatramin'ny famoahana ny vokatra ofisialy ny 14 janoary 2020. Ny mpanolotsaina kosa dia tsy maintsy mametra-pialàna vantany vao mametraka ireo antontan-taratasy eo anivon'ny OVEC. I Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI dia nanamafy hatrany fa miantoka ny fampandehanan-draharaha fotsiny ireo ben'ny tanàna lefitra fa tsy afaka mandray fanapahan-kevitra goavana. Araka ny fanamafisana nataon'ny HCC ihany koa dia ireo ben'ny tanàna tsy hirotsaka dia manohy ihany koa io fampandehanan-draharaha io. Marihana fa ben'ny tanàna miisa telo no lasa solombavambahoaka ankehitriny. Ireo lefiny avy no miantoka ny asa amin'izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT