Sarotra ny famoronana asa ara-dalàna, indrindra hoan’ny tanora Malagasy amin’izao toekarena misy eto Madagasikara izao, araka ny fanadihadiana notontosain’ny Ivotoeram-pirenena mikirakira ny antontanisa.
Mitombo hatrany rahateo ny isan’ireo olona manao asa an-tselika izay vahaolana tokana hiatrehana ny krizy hatreto. Raha teo amin’ny 60% ny salan’isan’izy ireo tamin’ny taona 2005 dia tafakatra hatrany amin’ny 80% izany 10 taona aty aoriana. Sehatra mampiroborobo ny asa tsy manara-penitra ny varotra, ny fiompiana ary ny fambolena. Ambany mba tsy ilazana fa tena kely ny fidirambola hoan’izy ireo izay vao maika manome vahana bebe kokoa ny fahantrana. Tontolo goavana miteraka asa hoan’ny fiaraha-monina Malagasy ihany koa anefa ny fambolena sy ny fiompiana. Mandrafitra ny 80,5% maherin’ny mponina eto amin’ny nosy mantsy no tantsaha mpiompy sy mpamboly. Tsy mandray afa-tsy 674.000 ariary isan-taona anefa izy ireo amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 1.338.000 ariary ny marikarama isan-taona ho an’ny sehatra ara-dalàna amin’ny ankapobeny. Mahatratra hatrany amin’ny 2.410.000 ariary kosa io vidin-katsembohana isan-taona io ho an’ireo mpiasam-panjakana, raha ny vokatry ny fanadihadihana notanterahan’ny Instat.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.