Nanitsy ny filazana novoizina tao ho ao mikasika ny fisian’ny dahalo niova fo any amin’ny faritra atsimon’ny nosy ny fikambanana Arofototse, ivondronan’ireo mpandala ny nentin-drazana avy any amin’iny faritra iny, omaly
. Nambaran’ny filohan’ity fikambanana ity, Monja Mahafay, fa tsy tokony ho any atsimo fotsiny no hisian’izany fiovana fo izany satria misy olon-dratsy daholo ny faritra rehetra manerana ny nosy fa ny anarany fotsiny no miova. Daholo miova akanjo no hitanay any fa tsy izany dahalo miova fo izany, hoy ity izy. Tsy voafaritra na voasokajy mazava izany dahalo izany any atsimo, hoy ity mpandala ny nentin-drazana avy any Atsimo ity. Mety ho dahalo avokoa ny olon-drehetra, hoy izy, satria ny fahasahiranana sy ny tsy fahalalana no mitarika amin’ny fanaovana ireo asa ratsy ireo. Mba miantso ny mitondra fanjakana aty ambony aty izahy, hoy Atoa Monja Mahafay, hijery ny fanararaotam-pahefana sy fandikan-dalàna ataon’ireo olona ambony manararaotra vahoaka any aminay any. Fanaovana fitadiavam-bola ny faritra atsimo ny filazana ny fisian’ny dahalo miova fo, hoy i Monja Mahafay tsy nisalasala, sady lasa filam-bolan’ireo sahirana ara-pivelomana ihany koa. Tokony ho mailo ny fitondrana, hoy izy, sao ho diso fanantenana fotsiny. Porofon’izany ny mbola fisian’ireo asan-dahalo amin’ny toerana maro any atsimo, hatramin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.