Miantso ny vondrona iraisam-pirenena, indrindra fa ny firenena mikambana mba hijery akaiky ny raharaha Antsakabary i Arlette Ramaroson,
mpahay lalàna iraisam-pirenena satria anisan’ny sakana amin’ny fanatanterahana ny « tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy » amin’ny taona 2030 ireny habibiana tsy roa aman-tany noho ny tsy fisian’ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna ary ny mangarahara eto Madagasikara mba hisian’ny fandriampahalemana, fitsarana marina sy ireo andrim-panjakana mahomby. Nivoitra io nandritra ny valandresaka nataony teny Antaninarenina omaly. Manitsakitsaka ny zon’olombelona ny fihetsika baribarianina nataon’ireo polisy tamin’ny mpiray tanindrazana. Mandrindra ny filaminam-bahoaka, miaro ny vahoaka sy ny fananany no adidiny fa tsy natao handoro trano fonenana sy fiangonana ary mandrava fananana amin’izao efa fahantrana lalina mianjady amin’ny maro an’isa izao. Miantso ny fitondram-panjakana handray andraikitra amin’ny fanonerana (indemnisation) tsy misy hatak’andro ireo tsy manan-tsiny niharam-boina isan-tokantrano, ary handray fepetra hentitra amin’ireo izay nahavanon-doza toy izao mba ho ohatra velona ho an’ireo mpitandro ny filaminana hafa mety hihoa-pefy. Mila miaiky ny fahadisoany ka hitondra ny fialan-tsiny sy ny fifonana (pardon) ary ny fiaraha-miory ampahibemaso amin’ny alalan’ny kabary ao amin’ny TVM sy ny RNM ny fanjakana amin’ny alalan’ny filoham-pirenena amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy araka ny voafaritra mazava ao anatin’ny Lalàmpanorenana. Antony maro no mety hidiran’ny fitsarana iraisam-pirenena amin’ny raharaha toy izao, anisan’izany ny fahitana fa tsy manana finiavana handray andraikitra ny fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.