Vao tamin’ny 28 septambra isika, hoy ny mpitsara iraisampirenena, Arlette Ramaroson no nankalaza ny andron’ny zo hahafantatra.
Manana zo hahafantatra mikasika ny tetikasa Tanamasoandro ny vahoaka malagasy fa tsy ny vahoakan’Ambohidratrimo na Ambohitrimanjaka ihany. Mety hiitatra ity raharaha ity, hoy izy. Raha mahita ny ranomason’ny vahoaka aho dia mametra-panontaniana hoe efa natao ve izay fampahafantarana izay ? Aiza ny boky na « cahier de charge » mikasika an’io ? Avoahy ny fifanarahana rehetra na « contrat » ? Moa ve nanao sonia daholo ny olona nakana tany ary manaiky ny tetikasa ? Lazaina koa fa Ampefiloha natao toy izao. Tadidio fa tamin’izany tsy mbola nitsangana i Antananarivo ary mbola nisy toerana hototofana tao sy Analakely. Ahoana no tsy azo hihodivirana ireo toerana voalaza fa tsy maintsy hanitarana an’Antananarivo ? Sao dia mbola misy faritra hafa tokony hojerena fa tsy tanimbary lazaina fa efa an’1000 ha no simbana kanefa hanao tanimbary no tetikasa ? Hampahafantaro, hoy ity mpitsara ity, hoe ohatrinona isaky ny m2 no omena ireo olona ary firy ny tany anaovana fifanarahana amin-dry zareo ? Ambohitrimanjaka izany dia toerana feno vakoka misarika mpizahatany azo hampidiram-bola ho an’ny firenena koa fanampin’izay ka raha misy tombontsoa mihoatra toy izany dia aleo izay no fidiana, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.