Actualités

Arlette Ramaroson Mangataka ny hanafahana madiodio ireo mpanao gazety 3 mianadahy


  • Zoma 06 Septambra 2019

Mangataka ny hanafahan’ny fitsarana madiodio ireo mpanao gazety telo mianadahy voarohirohy tamin’ilay raharaha angidimby tetsy Mahamasina ny herinandro lasa teo i Arlette Ramaroson, mpitsara iraisam-pirenena sady Reny.

 

 

 

 Na misy porofo aza mantsy ny zavatra tahaka ireny dia jerena ihany koa na mitombona na tsia ny fitoriana ilay mpanao gazety. Tsy izy ireny no hanana saina ratsy hamoaka vaovao tsy marina  fa ny asany no nataony ary raha sanatria ka misy diso dia mbola azo hahitsy amin’ny alalan’ny fanaovana “dementi”. Miantso ny mpitsara mba hanao ny asa ity mpitsara iraisam-pirenena ity sady miantso ny mpanao gazety handeha amin’ny fahamarinana ihany koa tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa. Tsiahivina moa fa ny 16 septambra ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha angidimby ity. Mikasika ny fifidianana Ben’ny tanana izay hotanterahina ny 27 novambra ho avy izao indray dia nomarihiny fa ny lisi-pifidianana efa teo ihany no mbola hampiasain’ireo tompon’andraikitra ka tsy hatokisany. Ho an’ny antoko natsangany  manokana moa dia tsy handatsaka kandida izy ireo. Ho an’ny rodoben’ny mpanohitra kosa anefa dia manana kandida manerana an’i Madagasikara izy ireo.

Legende :  Mpitsara iraisam-pirenena i Arlette Ramaroson sady sekretera jeneralin’ny rodoben’ny mpanohitra  

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT