Actualités

Arivonimamo May ny tranon’ireo zazavavy zanaky ny zandary


  • Zoma 07 Desambra 2018

May ny alarobia alina lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora, ny tranon’ireo zazavavy zanaky ny zandary lavo am-perinasa, beazina ao amin’ny akany ao Arivonimamo.

 

 

 

Ny hikiaka sy antso vonjin’izy 15 vavy iray trano  nandritra ny firehetan’ny afo  no nanaitra ny rehetra saingy tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. May lasa lavenona daholo kosa anefa ny entana tao amin’ny efitrano fandrian’izy ireo  niampy ny fitafiany rehetra sy ny fitaovam-pianarany. Ny alarobia alina lasa teo ihany dia tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny kaomandan’ny zandarimariam-pirenena,  ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa sy ny lefiny. Lelavola 2 tapitrisa Ar no natolony ireto zanaky ny zandary lasibatry ny hain-trano ireto nandritra izany mba hividianana sy hanarenana ireo izay tena maika. Mbola nitohy hatramin’ny omaly maraina ny fandalovan’ireo tompon’andraikitra  isan-tsokajiny tany an-toerana. Tsy mbola fantatra kosa hatreto izay niavian’ny afo raha efa misokatra ny fanadihadiana hataon’ireo zandary mpanao famotorana any an-toerana. Tsiahivina moa fa miisa 57 ireo zanaky ny zandary lavo am-perinasa beazina ao Arivonimamo. Ny 37 isa amin’ireo dia zazalahy avokoa raha zazavavy kosa ny 20 isa ambiny. Ankoatra an’Arivonimamo dia ahitana ivontoerana iray tahaka ity ihany koa any Ambatolampy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT