Actualités

Arina fandrehitra Miovaova ny vidiny mandrapahatapitry ny fahavaratra


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Vao niatomboka nilatsaka ny orana ny volana novambra lasa teo dia efa nahitana fiakarany ny vidin’ny arina fandrehitra. Manodidina ny 14.000 hatramin’ny 15.000 Ariary ny vidiny teo aloha raha gony vaventy

Eo anelanelan’ny  12.000  hatramin’ny 13.000  Ariary kosa raha  gony salantsalany. Nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo  anefa dia efa nahitana fisondrotany 1.000 Ar ny gony tsirairay ka lasa manodidina ny 15.000 hatramin’ny 16.000 Ariary ny vidin’ny lasakan-tsaribao vaventy ary lasa 13.000 hatramin’ny 14.000 Ariary kosa ny gony salantsalany arakaraka ny mason-karenan’ireo mpivarotra. Raha Ho an’ny mpivarotra arina iray etsy  Andravoahangy izao dia nambarany fa anisan’ny mampisondrotra ity fahandroan-tsakafo ityny vidin’ny arina ny haratsian’ny lalana angalana azy, eo ihany koa ny fisondrotry ny lasantsy tao ho ao izay vao mainka mety hanampy trotraka. Manodidina ny 1.000 hatramin’ny  1.500 Ariary mantsy ny saran-dalana isaky ny gony iray. Faratsiho, Manjakandriana ary Moramanga no toerana  hangalan’izy ireo ny entana amin’ny ankapobeny. Mety mbola hisondrotra anefa io mandrapahavitan’ny fahavaratra, indrindra raha misy rivo-doza

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT