Actualités

Arina fandrehitra 500 Ariary vao mahazo


  • Talata 20 Janoary 2015

Miankina betsaka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena no mampidangana ny vidim-piainana eto Madagasikara. Ny fiatombohan’ny taona tahaka izao amin’ny ankapobeny no fotoana fiakaran’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Mifanojo amin’ny vanim-potoanan’ny oram-baratra sy ny fandalovan’ny rivodoza moa izy io eto amintsika. Antony iray goavana tsy voafehy hatreto ny haratsin’ny lalana ka mahatonga io fisondrotry ny vidim-bokatra io miainga avy amin’ireo toerana lavitry ny renivohitra. Tranga iray hita, ohatra, ny fahalafosan’ny arina fandrehitra noho ny toetr’andro miaraka amin’ny fahasarotan’ny fifamoivoizana. Raha nosandaina teo amin’ny 16.000 Ariary ny iray kitapo, herinandro vitsivitsy lasa izay, dia efa mihoatra ny 20.000 Ariary ny vidiny amin’izao fotoana. Mety ho tafakatra hatramin’ny 30.000 ariary izany, araka ny siosion-dresaka mandeha. Ny zava-misy aloha dia 500 Ariary ankehitriny fa mahazo saribao eny amin’ireo mpivarotra antsinjarany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT