Na tsy nitovy tamin’ny fandraisana an’i Deenyz izay notolorana vola iray tapitrisa Ar aza ny fandraisan’ny Faritra Atsinanana an’i Ariela, tovovavy solontenan’i Toamasina nandrobaka ny fifaninanan-talenta “The One” andiany faha-03, dia nisy ny hetsika nokarakarain’ny faritra Atsinanana tao amin’ny Lapan’ny Faritra nandraisana
azy narahina fiara nifanjohy sady nampaneno anjomara nanomezana voninahitra azy. “Avohay ny talenta aza atao sakana ny henetra. Fitaratry ny olona ianao izao ka fehezo tsara ny fomba fihetsika, ny toetra, ary ny fomba fiainana andavanandro”, hoy ny lehiben’ny Distrikan’i Toamasina I nisolotena ny lehiben’ny Faritra. “Reharehako ny nitondrako ny lokon’i Toamasina tao anatin’ny fifaninana nataoko. Noho ny fifanohanantsika dia nisy vokany ny zavatra natao rehetra. Raha misy zavatra tiana ka misy ny tanjona tsara hanatrarana izany, dia tsara ny miroso sy matoky ny tena”, hoy i Ariela. Fony izy mbola 5 taona no efa niaka-tsehatra nihira izay tena tiany i Ariela. Efa saika nanao Pazzapa izy 5 taona lasa izay saingy mbola kely taona loatra, dia izao tapa-kevitra nanao “The One” izao taty aoriana. Nanohana azy mafy ny fianakaviany, nampirisika azy ihany koa ny ray aman-dreniny. Loka maro no azony, eo ny fitsidihana mandritra ny herinandro atsy amin’ny nosy Maorisy, ny famoahana raki-kira sy raki-tsary aseho eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary vola mitentina 12 tapitrisa Ariary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.