Nankalazaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Siansa.
Ny fambolena ara-biolojika ny voasary no lohahevitra noraisin’ny Fikambanan’ny Vehivavy sy ny Siansa eto Madagasikara (VSM). Nisy ny fampirantiana ny voka-pikarohana nataon’izy ireo mahakasika ny aretin’ny hazom-boasarin’Ambohijafy antsoina hoe Dinty na homamiadana (gommose). Fiaraha-miasa tamin’ireo mpamboly no nahafahana nisoroka ny aretina maro vokatry ny biby kely hita maso (insectes) na otrikaretina (microorganismes) mpahazo ny voasary. Hisy akony amin’ny fambolena sy ny fiakaran’ny vokatra voasary izany satria ny 50%-n’ireo voasary dia saika efa voatsabo avokoa noho io voka-pikarohana io. Ankoatr’ity fankalazana sy fampisehoana voka-pikarohana ity dia mampirisika ireo vehivavy indrindra ireo tanora ny VSM hiditra eo amin’ny sehatra siantifika sy teknika.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.