Actualités

Aretina ZIKA Mahasampona ny zaza ao am-bohoka


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Aretina iray tena malaza be ao Brezila amin’izao fotoana izao ny Zika. Ny vehivavy bevohoka amin’ny ankapobeny no tena arovana mafy amin’izy io noho ny fisian’ny voka-dratsiny toy ny fahasembanana ara-tsaina tsy maintsy hahazo ilay zaza ao am-bohoka, rehefa mihalehibe izy.

 

 Raha araka ny fanazavan’ny profesora Rakotovao Hery, lehiben’ny hopitalim-panjakana etsy Befelatanana dia ohatra ny fitrangan’ny gripa ihany no fitrangan’ity aretina iray ity. Manavy ilay olona, mikohoka, voan’ny sery … Ho an’ny vehivavy bevohoka manokana dia ilay fijanonan’ny fitombon’ny lohan’ny zaza ao am-bohoka no tena voka-dratsy entiny.  Hita amin’ny alalan’ny fanaovana fitarafana izany hoy izy na échographie toy ny hakelezan’ny refin’ny lohan’ilay zaza raha oharina amin’ny volana niainany tao an-kibo. Vokany, mety ho teraka tsy tonga volana ilay reny na teraka aorian’ny fotoana voatondro tokony hahaterahany, hoy hatrany izy. Mety hitsivalana ihany koa ilay zaza  eo am-piterahana azy na ny vodiny no handeha mialoha. Farany dia miteraka ny fahakelezan’ny ati-dohany ny hakelin’ny lohany izay tsy maintsy hiteraka fahasembanana ara-tsaina ho azy. Nambarany moa fa amin’ny maha viriosy ny Zika dia tsy mbola hita izay fomba hisorohana azy, ankoatra ny vaksiny,  toy izany koa ny vaksiny voatokana iadiana aminy. Ho antsika eto  Antananarivo moa dia nanambara izy fa tsy nahitana trangana zika hatramin’izao. Hankalazaina anio alakamisy 11 febroary ny andro maneran-tany ho an’ny marary.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT