Nahatratra 37 tapitrisa ny isan’ireo olombelona nitondra ny tsimokaretina VIH Sida eran’izao tontolo izao tamin’ny taon-dasa, hoy ny solontenan’ny firenena mikambana misahana amin’ny ady amin’ny Sida, Salvator Niyonlima.
Tsy hitombina, araka izany, ny hanafoanana ity areti-mandoza mahafaty ity mialoha ny taona 2030. Ny faran’ny taona teo dia efa nananika ny 2 tapitrisa latsaka kely ireo maty vokatr’io aretina io. Nisy Malagasy tamin’ireo. Zava-dehibe, ny fametrahana ao an-doha hatrany fa zava-doza ho an’izao tontolo izao ity aretina ity ka liana fiaraha-mientana ny famongorana azy. Aoka samy hitandrina fa tsy misy fanafody mahasitrana ity aretina ity fa fitazomana aina ihany no misy, hoy izy. Nampahafantatra ny fiaraha-miasan’ny firenena mikambana sy ny Malagasy ity solontenan’ny Onusida ity, omaly, teny Antaninarenina.
Mirija
Sary: Rakotobe Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.