Mitombo isa hatrany ireo olona matin’ny aretina SIDA maneran-tany. Tafakatra 800 isan’andro ireo mamoy ny ainy maneran-tany izay mahatratra hatrany amin’ny 2 ka hatramin’ny 3 tapitrisa isan-taona raha ny tarehimarika voaray.
Aretina iray izay tokony horesena anefa ny SIDA mandrapahatongan’ny taona 2030. Ny mifanohitra amin’izay anefa no mitranga eo amin’ny resaka fanaovana fitiliana satria dia mbola malaina ny manao izany ny Malagasy. Tsy mahatratra dimy isan’andro akory ireo miroso amin’izany eny anivon’ireo tobim-pitsaboana maro samihafa na dia tazonina ho tsiambaratelo aza ny vokatr’izany. Ho an’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar manokana dia nisy ny hetsika fitiliana maimaimpoana ny aretina SIDA, ny diabeta ary ny tosidra notontosainy omaly ho an’ireo mpiasa ao aminy sy ny ankohonany. Nahatratra 300 teo ho eo ireo nahazo tombontsoa tamin’izany. Izany no natao moa dia ny mba hahafahan’ny tsirairay mamantatra ny toe-pahasalamany. Narahin’ny fampisehoana notanterahin’ilay mpanankato Amerikana tsy zoviana amintsika intsony izany izay nanentana ny rehetra ny ady hatao amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizy ihany koa. Nomarihina omaly alakamisy 01 desambra ny andro maneran-tany ho an’ny SIDA. Tany Antsiranana no nanamarihana izany ho antsika eto Madagasikara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.