Mandeha ny resaka ao Toamasina fa miverina mirongatra indray ny aretina azo avy amin’ny viriosy antsoina hoe “Arbovirose”
izay miteraka ny “Dengue” na “Chikungunia”. Mahazo vahana mantsy ankehitriny noho ny loto sy ny fiangonan’ny fako ary ny rano maloto miandrona etsy sy eroa, ny aretina ateraky ny viriosy, izay mitondra sery goavana sy hafanana be ary fanaintainan’ny vanin-taolana.
Noho io resaka mandeha io dia nampiantso mpanao gazety ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana sy ny ekipany, nilazan’izy ireo fa tsy mbola misy ao Toamasina ny “Dengue” sy ny “Chikungunia”. Manamarina izany ny fitiliana ataon’izy ireo miaraka amin’ny “Institut Pasteur” izay milaza hatrany tao anatin’ny 7 herinandro nanaovana ny fanaraha-maso, fa miiba avokoa ny valin’ny fitiliana natao. Tsy nanda ny fisian’ny aretina vokatry ny viriosy ateraky ny loto sy ny fako mameno tanàna anefa ireo mpitsabo ireto, izay tena miakatra ny tarehimarika voarain’izy ireo satria nahatratra 2.500 teo ny olona tratran’izany nandalo teo anivon’ireo CSB sy ny hopitaly, izany hoe manodidina ny 90 isan’andro. Ho an’ireo dokotera tsy miankina tena mandray ireo marary vokatr’ity viriosy mahery be ao Toamasina ity, dia tsy mifanalavitra amin’ny fomba fitrangan’ny “Dengue” sy ny “Chikungunia” ny fitrangan’ny aretina mitranga amin’ny marary manatona azy ireo tato ho ato, hany ka mifanaraka amin’ny fitsaboana io aretina io no hitsaboan’izy ireo ny marary, ny fitiliana ataon’izy ireo koa milaza izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.