Actualités

Aretina mamono olona any Befotaka Tsy mbola voaporofo fa pesta


  • Alakamisy 08 Desambra 2016

Nitondra fanazavana mahakasika ilay aretina pesta any amin'ny distrikan'i Befotaka izay voalaza fa efa nandripaka olona hatrany amin'ny 31 isa omaly ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka.

Nambaran-dRandriamarotia Willy, fantatra fa olona enina hatramin'ny omaly, fotoana nahatongavan'ny ekipan'izy ireo any an-toerana no voaporofo fa tena matin'ity areti-mandoza iray ity any Befotaka. Notsindriany fa ao amin'ny kaominina Inosy avokoa no misy ireo olona maty ireo, toerana faran'izay lavitra sy saro-dalana tokoa. Ny telo dia nambarany fa tao Ambalanirano raha tany Bevao ny iray izay vao namoy ny ainy omaly niampy marary iray hafa. Nambarany ihany koa fa olona telo no fantatra marary ao Ambalatsiho, aretina izay notsindriany manokana fa tsy voaporofo fa tena pesta satria mifangaro  tazo ihany koa ka mbola ho fantatra miandalana eo ihany. Tsy midika izany fa diso na marina  ny nambaran'ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana satria samy tompon'andraikitra izahay fa ny anay misy ekipa midina ifotony voaporofo no ambaranay. Andrasana izay vokatry ny fitetezana ireo tanàna kely ao Befotaka hotanterahin'ireto ekipan'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka ireto. Nanambara moa izy ireo fa tsy maintsy mbola  hisy ny fijerena fomba hafa hahafahana manavotra ireo marary mila famonjena noho ny halaviran-dalana diso tafahoatra.  Nomarihin'izy ireo ihany koa fa olona avy any Antanambao Iakora avy niandry faty no nitondra ity aretina pesta ity ka tsy maintsy hisy ihany koa ny fijerena akaiky ny mahakasika izany.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT