Actualités

Aretina lefakozatra Mbola nahitana tranga ihany tany Sakaraha


  • Alakamisy 10 Martsa 2016

Mbola nahitana trangan’aretina lefakozatra ihany tany amin’ny distrikan’i Sakaraha ny volana Aogositra lasa teo, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rakotomanga Louis Marius, talen’ny vaksiny eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Zaza efa-taona no lasibatr’izany na dia nisy tsy niato aza ny hetsika natao teto amintsika entina hamongorana ity valanaretina ity. Mba hahafahana manafoana izany tanteraka ary dia andiany roa be izao indray no hanohizana ny hetsika manerana ny Nosy ato anatin’ny roa volana. Voalohany ny 14 ka hatramin’ny 18 martsa ho avy izao raha hotanterahina ny 11 ka hatramin’ny 14 aprily kosa ny andiany faharoa.  Ireo zaza voateraka ka hatramin’ny dimy taona no voakasik’izany raha tafakatra 15 taona teo aloha.  Ireo mantsy no hita fa mbola tena handairan’ity valanaretina ity, raha araka ny fanazavana azo hatrany. Ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany tsirairay avy no handray an-tanana ny fizarana izany mba hahafantarany ireo zaza tsy vita vaksiny ankoatra ireo olobe sy tompon’andraikitra izay avondrona anaty komity iray hanara-maso izany. Hitohy hatreny an-tsekoly, tsena, ivontoerana maro samihafa ny fizarana ny vaksiny izay nambaran’ny minisitera fa tsy misy atahorana na dia betsaka aza ny tsaho miely. Hiara-kisalahy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana izany moa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tsiahivina moa fa ny 95 %-n’ireo zaza latsaky ny 15 taona vita vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra farany teo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT