Mahatratra 23.400 ireo olona voan’ny aretina homamiadana eto amintsika amin’izao fotoana izao raha ny tomban’isa navoakan’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana.
Raha araka ny tarehimarika navoakan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka indray anefa dia 1600 isa isan-taona ireo marary vaovao tonga manatona tobim-pitsaboana. Mbola misy hatrany ireo ampahany miafina na manao dokotera tenany, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rabarijaona Leontine, antony nanaovana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny homamiadana omaly tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha mba hanairana ny tsirairay handray ny andraikiny. “Vonona isika hitondra fanovana, hizara fitiavana” no lohahevitra noraisina tamin’izany, natrehin’ny sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Fantatra nandritra izany fa ny homamiadan’ny nono no mahazo ny 30 %-n’ireo marary ireo raha ny vozon’ny tranonjaza kosa ny 27 % izay vehivavy avokoa. Na izany aza anefa dia nambaran’ity dokotera ity fa efa mihabetsaka ihany koa ireo tratry ny homamiadan’ny taovam-pisefoana sy ny lalan-kanina eto amintsika. Miantso ireo marary manao dokotera tenany na mitsabo tena any amin’ireo fitsaboana nentim-paharazana ny tenany mba hanatona tobim-pitsaboana satria efa misy mihitsy ny fitsaboana voatokana hikarakarana azy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.