Mitombo hatrany ireo olona voan’ny diabeta eto amintsika. Ankoatra ny zaza madinika vao valo volana monja dia tsy mifidy taona intsony ny aretina, indrindra fa ho an’ireo mitombo lanja loatra na matavy.
Antony maro no mahatonga ny aretina, hoy ny dokotera Feziny Séraphine, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny tobim-pitsaboana Marie Stella etsy Analamahitsy. Lohalaharana ny tsy fahaizana misakafo ara-dalàna. Eo ihany koa ny tsy fanaovana fanatanjahantena ankoatra ireo efa tsy maintsy miaina miaraka amin’ny diabeta noho ity aretina iray ity manaranaka. Mba ho fanampiana ny olon-drehetra, indrindra fa ireo matavy dia hanatanteraka fitiliana ny aretina diabeta maimaimpoana ity tobim-pitsaboana iray eny Analamahitsy ity manomboka anio alatsinainy. Haharitra hatramin’ny faran’ny taona izany ka ny tanjona dia ny mba hanoroana ny olona ny tokony hataony manoloana ny firongatry ny aretina ankoatra ny fitsaboana ireo izay efa lasibatra mba tsy ho tara loatra. Mivoha manomboka amin’ny 5 ora maraina izy ireo isan’andro.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.