Efa tafakatra 387 tapitrisa ireo olona diabetika manerana izao tontolo izao ny taona 2014 ary mety hiakatra hatrany amin’ny 592 tapitrisa amin’ny taona 2035.
Io no fanazavana nomen’ny dokotera Haja Andriamamonjisoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny AMADIA( Andiana Malagasy Miady Amin’ny DIAbeta). Manoloana izany dia hifarimbona ny avy eo anivon’ny PHARMADIFF na ny ivontoeram-pitiliana tsy miankina iray anisan’ny mamantatra ny mikasika ny diabeta sy ity andiana Malagasy ity hanatanteraka fitiliana maimaimpoana etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely anio alarobia 30 novambra manomboka amin’ny 9 ora maraina mba hitsinjovana ireo olom-pirenena tsy an-kanavaka hamantaran’izy ireo ny mety ho fananany na tsia izay toe-tena diabetika izay. Araka ny fanazavana dia toe-tena fa tsy aretina akory ny diabeta ary vokatry ny tsy fahafehezana ny tahan-tsiramamy miditra amin’ny vatan’olombelona no miteraka azy. Fitiliana, izay hivaly eo no ho eo sady maimaimpoana izy io, hoy ny mpikarakara, raha handoavana sarany 5.000 ariary isan’olona kosa amin’ny andavanandro. Izay hita fa manana izay toe-tena diabetika izay moa dia horaisin’ny PHARMADIFF an-tanana ny fanaraha-maso ny fitsaboana, hoy ny mpikarakara. Miara-miasa akaiky ity tetikasa ity moa ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.