Ny faran’ny herinandro teo no nankalazana tamim-pomba ofisialy tao an-drenivohitr’i Boeny ny andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana amin’ny savony.
Tetsy amin’ny kaominina ambanivohitra Anosy Avaratra kosa omaly no nanamarihana izany ho antsika eto amin’ny Faritra Analamanga. Ny vondrona Star no anisan’ny nanohana ny hetsika izay nanolotra fanomezana maro ho an’ireo ankizy nandray anjara tamin’ny fifaninanana tononkalo. Raha tsiahivina, zaza latsaky ny dimy taona manodidina ny 5.000 isan’andro no maty maneran-tany vokatry ny aretin-kibo. Ho antsika eto Madagasikara raha araka ny tarehimarika navoakan’ny OMD na ny tanjon’ny taonarivo fahatelo ho an’ny fampandrosoana dia mamoy ny ainy alohan’ny fahadimy taonany noho ny aretin-kibo avokoa ny 22%-n’ny zaza malagasy. Vokatry ny loto miditra any am-bava ateraky ny tsy fanasan-tanana avokoa no antony mahatonga izany, antony tsy maintsy hankalazana ny herinandro ho an’ny fanasan-tanana isan-taona manerana ny faritra maro. Tanora manan-talenta maro no nanao fanentanana sy nizara ny traikefany tamin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.