Actualités

Aretina “Alzheimer” 120 no voany tato anatin’ny enim-bolana


  • Alatsinainy 19 Desambra 2016

120 isa ireo zokiolona voan’ny aretina Alzheimer tato anatin’ny enim-bolana teto an-drenivohitra. Nentin’ny fianakaviany nanatona ny “Association Madagascar Alzheimer Masoandro Mody”

 

 etsy Fenomanana avokoa izy ireo mba hokarakaraina sy horaisina an-tanana. Olana anefa ny tsy fahampian’ny toerana handraisana azy ireny intsony, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ity ivontoerana ity. Tsy mahazaka zokiolona afa-tsy 20 anefa ny toerana ary isaky ny talata sy ny alakamisy ihany no azo  raisina ao noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Vokany, lasa miparitaka any ivelany avokoa ireo zokiolona ambiny sisa tsy voakarakara. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray fa tsy mbola manam-panampy izy ireo hatreto fa ny herim-pon’ny fikambanana ihany no hivelomany. Tsy mbola nijery azy ihany koa ny fitondram-panjakana na dia efa misy aza ny tany hahafahana manangana ny fotodrafitrasa mifandraika amin’izany. Marihina moa fa mbola mahavita zavatra tsara toy ny olon-drehetra ihany ireo zokiolona mararin’ny Alzheimer rehefa ara-dalàna ny fandraisana an-tanana azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT